Actualités

Faritra Analamanga Namboly hazo ny vehivavy


  • Talata 09 Martsa 2021

Nentina nankalazana ny andron’ny 8 martsa 2021, mifandraika amin’ny lohahevitra fankalazana :

 

 « Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fandrosoana lovainjafy », dia nanatanteraka fambolen-kazo ny avy ao amin’ny Faritra Analamanga teo ambany fitarihin-dRamatoa Talen’ny kabinetran’ny Faritra. Teny amin'ny làlan’ny Tsarasaotra mihazo an’Ivato, ilay antsoina hoe « Route Fleurie » no nanatanterahana izany. Ny DREDD Analamanga no namatsy ny zanakazo 5 000 fototra novolena tamin’izany ary nanome ny toromarika fambolena ihany koa. Naneho ny firaisankinany ireo vehivavy tao amin’ny Faritra Analamanga. Nasehon’izy ireo ihany koa fa ny vehivavy dia manana andraikitra lehibe amin’ny fanarenana sy fiarovana ny tontolo iainana. Niara-nientana tamin’ny Fiadidiana ny Faritra tamin’ity hetsika fambolen-kazo ity ireo fikambanam-behivavy maro izay nahitana ny solontenan’ireo vehivavy avy ao amin’ny Primatiora, Antenimieran-doholona sy avy amin’ireo Ministera isan-tsokajiny ary ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny fampitam-baovaon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy na ny MEDD.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT