Faritra Analamanga

> Hiaraka hiasa akaiky amin’ny Region Champagne-Ardenne


  • Talata 08 Oktobra 2013

Hiaraka hiasa akaiky manomboka izao ny Faritra Analamanga sy ny region Champagne Ardenne atsy Frantsa.

Tontosa soa aman-tsara ny herinandro lasa teo tany Frantsa ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny lehiben’ny faritra  roa tonta, izay hanome vahana bebe kokoa ireo sehatra tsy miankina eto amintsika, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Faritra Analamanga, Mananjara Randriambololona. Hiompana amina sehatra maro loha ny
fiaraha-miasan’ny roa tonta, araka ny fantatra ihany. Na izany aza dia sehatra vitsivitsy aloha no ao anatin’ny laharam-pahamehan’izy ireo amin’izao fiandohany izao, fiaraha-miasa
haharitra telo taona ary mbola azo havaozina tsara. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra, ny sehatry ny fizahantany, ny taozavatra sy ny asa tanana ary ny fametrahana ireo karazana fotodrafitrasa maro samihafa ara-tsosialy sy ara-toekarena arahin’ny fifanakalozana traikefa. Ny roa tonta no hijery miaraka sy hanapaka izay tetikasa hotanterahina amin’ny alalan’ilay  Comité Mixte izay efa tafajoro tarihin’ny lehiben’ny faritra roa tonta miaraka amin’ireo teknisianina enina avy  avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Hahazo tombony be dia be avy amin’io fiaraha-miasa io isika eto amin’ny faritra Analamanga. Ny volana Desambra ho avy izao no handalo voalohany eto amintsika ireto teknisianina avy any amin’io faritra Champagne-Ardenne atsy Frantsa ho fanombohana ny asa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT