“Maro ny mpitondra fanjakana nifandimby teto Amoron’i Mania nilaza fa sarotra ampandrosoina ity faritra ity fa sady be tendrombohitra no mangatsiaka”.
Nahitsin’ny minisitry ny filaminana anatiny Razafindrazaka Arsène izany tao Ambositra ny sabotsy 8 martsa lasa teo fa tsy mendrika ho an’ny faritra Amoron’i Mania intsony io teny manambany io. Nambarany fa hita taratra ny firaisankinan’ireo mpitondra sy ny hery rehetra ao an-toerana manoloana ny fikarakarana lanonana. Nohamafisiny fa miroso amin’ny fandrosoana hatrany ny faritra Amoron’i Mania, indrindra ny tanànan’Ambositra. Nirariany hihatsara hatrany ireo fotodrafitrasa sy ara-kolotoraly misy ao an-toerana. Nasongadiny manokana ny fananan’Amoron’i Mania oniversite azy manokana ka nisaorany ireo nametraka izany. Mikasika ny fankalazana ny 8 martsa dia matotra sy vonona hampandroso ny firenena ny vahoakan’Ambositra ka nentaniny handray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny vehivavin’Amoron’i Mania. Nandray anjara filaharana tao Ambositra ireo polisy vavy sy zandary vavy nandrintra ny fankalazana ny 8 martsa teo.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.