Actualités

Faritra ambony ahiana hamono olona Hirotsaka hanao fanentanana indray ny BNGRC


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Mbola voasokajy ho faritra mena hatrany ireo faritra ambony toerana tazanina avy etsy Anosy sy ny manodidina mandrak’ankehitriny.

Mbola manodidina ny 860 tafo eo ho eo mantsy raha kely ireo trano ahiana hirodana eny amin’iny faritra iny amin’izao fotoam-pahavaratra izao, antony tsy maintsy hanaovan’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary fidinana eny an-toerana. Hanentana ny mponina mba hitady trano izy ireo mandritra izany hisorohana ny aina mety sanatria ho hafoy. Raha tsiahivina mantsy dia efa betsaka ny ra latsaka teny amin’iny faritra ambony ity toy ny teny Tsimialonjafy, Tsarafaritra Ankadilalana. Voakasik’ity fanentanana ity ihany koa moa ny faritra Tsarafaritra Tsimbazaza, Faliarivo Ambanidia, Ambohitsoa, Ambatovinany, Ampaihibe. Ho an’ireto farany dia mahatratra 460 isa ireo trano tandindomin-doza raha mahatratra 20 tafo kosa izany eny amin’ny Faritra Tsiadana eny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT