Mangataka ny handatsahana orana artifisialy avy amin’ny Ministera
tompon’andraikitra ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Raha araka ny vaovao azo mantsy dia efa 15 andro tsy nisy ranon’orana nilatsaka tany an-toerana. Vokany, maina tanteraka ny tanimbary, tsy misy ny rano azo tsinjaraina. Distrika maromaro no miaina io hirifiry io. Ahiana mafy araka izany ny mety tsy hisian’ny voka-bary amin’ity taona 2021 ity raha mampanahy ihany koa ny mety ho fihenan’ny voka-bary. Tanimbary mihoatra ny 2000 ha moa no tsy misy rano intsony amin’izao any amin’ity faritra iray ity. Nanambara moa ny teo anivon’ny Ministeran’ny fambolena fa nahitana fiakarany hatrany ny voka-bary teto amintsika hatramin’izay. Nahatratra 3 tapitrisa taonina izany tamin’ny taona 2015 ary niakatra 4 tapitrisa taonina taorian’izay. Mba hahazoana mitazona io vokatra io dia hanome vahaolana ho an’ity faritra ity ny ministera.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.