Namoaka filazana filazana manokana manokana momba ny fiforonana rivodoza na
« cyclogenèse» any amin’ny Ranomasim-be Indianina, araka ny fialazan’ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro, navoaka omaly 20 desambra tamin’ny 9 ora alina. Vokatry ny oram-baratra tsy nisy fitsarahany tany atsimo andrefan’ireo nosy britanika, na Diego Garcia, tao anatin’ny andro vitsy izao, no nahatonga an’io fiforonana rivodoza na cyclogenèse io, hatramin’ny omaly. Hatreto, manodidina ny 30 hatramin’ny 40 km isan’ora ny rivotra . Omaly tamin’ny 7 ora hariva dia tany amin’ny 1620 km ao avaratra atsinanan’i Antalahana no misy ny foiben’ilay andro ratsy, izay ahiana hivoatra hatrany ary hitombo hery hoy ny fampitam-baovao. Vinavinaina hanohy ny diany miakandrefana, hanakaiky bebe kokoa ny fari-dranomasin’i Madagasikara, io fiforonana rivodoza io, ao anatin’ny 5 andro manaraka. Ahiana hiova ho « tempête tropicale » ihany koa. Eo am-piandrasana ny fivoarany tsikelikely,koa entanina sahady ireo mponina amin’ireto faritra ireto mba hanaraka tsy tapaka ny vaovao ofisialy momba ny toetr’andro, noho io fiforonana rivodoza io izay hitondra fiovana eo amin’ny toetr’andro mandritra ity herinandron’ny Noely ity : DIANA, SAVA, ANALANJIROFO, ARY ATSINANANA. Manara-maso tsy tapaka an’io « cyclogenèse » io ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Raha haravona io, dia faritra 4 mila mailo, ary mety hiitatra amina faritra maro satria miditra amin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika ka mila miomana avokoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.