Actualités

Faritany Ambohidahy Mifanaretsaka ny mpanera


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Mbola manjaka ary vao mainka mahazo vahana ny risoriso eo anivon’ireo sampandraharaha mpikarakara taratasy etsy anivon’ny Faritany etsy Ambohidahy amin’izao fotoana izao, raha ny resaka fanovana no tena handrandrain’ny fitondrana mijoro ankehitriny.

 Raha vantany vao miditra ny varavarana mantsy ny olona iray dia mpanera no mameno ny tanàna manontany izay anton-dianao sy ny zavatra hataonao. Mpanera izay marihina fa manelanelana ilay olona mpikarakara ny taratasy sy ilay tompony ary sahy mametraka “prix” mihitsy. Mikasika ireto farany indrindra no tena mampitaraina ny ankamaroan’ny olona. Raim-pianakaviana iray nikarakara taratasina fiara no sendra izany. Mba hanafainganana ny taratasy ilainy dia nifampiraharaha tamin’ilay mpanera ity raim-pianakaviana saingy rehefa tonga ny fotoana nifanomezan’ny roa tonta dia tsy vita indray ilay taratasy ary mbola notakian’ilay mpanera taratasy hafa indray. Lany 15 andro teo ity raim-pianakaviana ity vao vita ny nataony raha tsy tantaraina intsony ny fotoana laniny sy ny tebitebin-tsainy nandritra izany.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT