Raha ny fanadihadiana natao dia rariny raha misy ny fanofanana omena ireo Ben’ny tanŕna avy amin’ireo Faritra telo ao anatin’ny Faritanin’i Toamasina dia Alaotra-Mangoro sy Atsinanana ary Analanjirofo.
Ny zavatra hita mantsy dia be loatra ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fandikan-dalàna ary ny tsy fanajana ny lalàna amin’ny ankapobeny mihitsy ataon’izy ireo.
Ny fanadihadiana natao ihany no nahalalana fa ny fanodinkodinam-bola no tena betsaka ataon’ireo Ben’ny tanàna ireo. Betsaka ny famoaham-bola tsy misy porofo sy fampiasam-bola nefa tsy misy zava-bita akory. Betsaka ihany koa ny manararao-pahefana mikasika ny kara-tany sy ny tanin’ny Kaominina. Tranga mateti-piseho koa ny tsy fisian’ny mangarahara mikasika ny fampiasana ny vola fanampiana avy amin’ny fanjakana, fakana vola be loatra amin’ny tsipaipaikam-pokonolona, tsy fahaiza-mitantana ny karaman’ny mpiasa, ny tolo-bidim-panjakana sy ny fanaovana kiantranoantrano amin’ny asa ataon’ny Kaominina, fakana vola mihoapampana amin’ny bokin’omby sy ny kara-panondro, ny tamberim-bidy tsy mandalo fitantanam-bolan’ny Kaominina, fitantanana sy fanodinkodinana ny fanampiana ny mponina traboina noho ny loza voajanahary na loza goavana, ny tsy refesi-mandidy ataon’ny Ben’ny tanàna ary ny tsy fisian’ny mangaraharaha amin’ny fitantanana ankapobeny sy ny tsy fidirana biraon’ny Ben’ny tanàna mandavan-taona any ambanivohitra. Betsaka ny fitoriana Ben’ny tanàna ataon’ny olona sy ny mponina ary ny mpiasan’ny Kaominina, noho ireo.
Kajikajy politika
Na eo aza anefa izany dia mahagaga ihany ny fahitana fa amin’ireo Kaominina 201 eo anivon’ny Distrika 18 misy ao anatin’ny Faritanin’i Toamasina, dia Ben’ny tanàna amina Kaominina miisa 114 no misy mitory avokoa, na fitsarana io na Bianco, ka Toamasina I no tena be fitoriana indrindra. Ben’ny tanàna 10 amin’ny 16 ao Toamasina II no misy mitory, 11 amin’ny 20 ny ao Ambatondrazaka, 08 amin’ny 20 any Amparafaravola, 03 amin’ny 08 ao Andilamena, 02 amin’ny 10 ao Anosibe an’Ala, 01 amin’ny 05 Antanambao Manampontsy, 09 amin’ny 18 ny an’ny Distrikan’i Brickaville, Ben’ny tanàna 10 amin’ny 11 ao Fenoarivo Atsinanana no misy mitory, 03 amin’ny 11 any Mahanoro, 04 amin’ny 11 ao Mananara Avaratra, 04 amin’ny 17 any Maroantsetra, 04 amin’ny 08 ao Soanierana Ivongo, 08 amin’ny 18 any Vatomandry, ary 08 amin’ny 10 any Vavatenina. Ben’ny tanàna miisa roa amin’ireo hatreto no naiditra am-ponja vonjimaika. Tsy midika anefa fa ireo Ben’ny tanàna miisa 87 ambiny amin’ny 201 dia tsara fitantanana, fa ny fitoriana sy ny antontan-taratasiny no tsy misy eo anivon’ny fitsarana na Bianco, noho ny tsy fisian’ny fitorian’ny mponina na ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina.
Ankoatra ireo dia ny resaka politika sy kajikajy politika handemena sy handavoana ny samy mpifanandrina ihany koa no fototry ny antontan-taratasy sy ny fitoriana ireo Ben’ny tanàna ireo. Araka ny fanadihadiana natao, ny 40%-n’ny fitoriana tonga eny anivon’ny fitsarana na Bianco, dia saika ataon’ny mpanao politika avokoa na eo aza ny tsy fanononana ny anarana raha antontan-taratasy alefa Bianco izany. Rariny raha ilaina ny fanofanana ireo Ben’ny tanàna, ny fampahafantarana azy ireo ny lalàna velona sy misy ary ny tokony hametrahana mari-pahaizana sy hamerana ny taona ho an’ireo te hirotsaka ho Ben’ny tanàna, mba hialana amin’izao toe-javatra mahamenatra mitranga izao.
Nangonin-dRakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.