Actualités

Farihin’Anosy Misy manarato antoandro be nanahary


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Misy manarato antoandro be nanahary tsy amin-tahotra eo amin’ny Farihin’Anosy Antananarivo eo.

 Ny alatsinainy teo no nahatazanan’ny olona maro izany. Nanontanian’ny mpanao gazety avy hatrany ny minisitry ny jono am-perinasa, Raharisaina Hery, raha azo hanina ny trondro ao amin’ity farihy ity na tsia. Fanontaniana no nasetriny izany hoe : “ianareo mpanao gazety mahalala hoe avy aiza ny rano mikoriana avy amin’io farihy io ka azo ho hanina sa tsy azo ?”. Ny tompon’andraikitry ny jono eo ambany fiadidiako, hoy izy, dia manofana ny rehetra ary mampahafantatra ny besinimaro amin’ireo trondro azo hanina ary nahazoana alalana ny maka azy. Azo antoka fa mba ho tongan’Ingahy minisitra any amin’ireo tompon’andraikitra tandrify azy ny amin’ity resaka trondron’Anosy ity raha tsy hoe hifanilihana indray ny amin’ny fampiharana ny lalàna ho an’ireo mampihinana maloto ny mponina efa reraky ny krizy ka tsy mifidy ny harapaka.

 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT