Actualités

Faravohitra Norobaina indray ny radio MADA


  • Alarobia 23 Mey 2012

Nirodorodo teny amin’ny foiben-toeran’ny radio MADA sy Fahazavana eny Faravohitra omaly ny andian’olona manao fanamiana mpitandro filaminana, nirongo fiadiana, niaraka tamin’ny fiara 4x4 miisa telo sy fiarabe.

 Nanao amboletra niditra ny trano izy ireo, tsy nisy fanazavana na fanehoana taratasy milaza fisavana trano fa dia nanao ankeriny ary naka izay ambina fitaovana hitan’izy ireo tao anaty trano. Manaporofo izany ny fanapotehan’ireo varavarana samihafa tao mba hitsofohan’izy ireo. Fantatra fa emetteur FM an’ny MBS teo aloha, table de mixage, lecteur CD, ordinateur complet, câble d’antenne no nalainy tamin’izany. Nahiahiana ho mampiantrano radio «piraty» tao amin’ity toerana ity. Faramparany teo rahateo dia misy mandefa ny maridrefy 95.4 FM eny Faravohitra radio MRS teo aloha. Araka ny nambaran’ny mpisolovava dia tsy nanaraka ny fenitra fanaovana ny fisavana trano ny nataon’ny mpitandro filaminana, tsy nampiseho taratasy momba izany izy ireo, tsy nisy solon-tenan’ny tompon-trano akory teo an-toerana, araka izany hoy izy dia fandrobana tsotra izao no natao tao Faravohitra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT