Faravohitra

> Miala any indray ny fibodoana tanin’olona


  • Alakamisy 03 Oktobra 2013

Naniraka vadintany teny Faravohitra omaly ny praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany. Anton-dia tamin’izany ny fampahafantarana fianakaviana iray fa dia alain’ny fanjakana ny taniny.

Tsy nisy adihevitra firy fa fampahafantarana fotsiny no nataon’ny vadintany. Raha ny fanazavan’ity fianakaviana ity anefa dia fananan’izy ireo mazava tsara an-taratasy sy ara-panjakana io tany io, voasoratra mazava amin’ny anaran’izy ireo no sady efa vita baorina. Andrasana izay mety ho tohin’ity raharaha ity, satria fianakaviana tsy zoviana amin’ny maro ireto voakasika ireto. Nahoraka be nandritra izao fitondrana tetezamita izao ny ady tany, ny fakana an-keriny sy fibodoana tanin’olona, ny fanotofana tany, ny fanagiazan’ny mpanambola vahiny tany etsy sy eroa ary voatonontonona matetika tao anatin’ireny raharaha ireny ireo tompon’andraikitra tao amin’ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany sy ireo rantsamangaikany. Nankinina amin-dReboza Julien indray moa ny fitantanana ity ministera ity ankehitriny dia io fa misy raharahana tany manana endrika hafahafa indray miseho sahady.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT