Actualités

Farafangana Nidoboka ny fiaramanidina avy nitondra an’i Châtaigner


  • Alarobia 11 Mey 2011


 Omaly dia nianjera tany Farafangana ny fiaramanidina Pipper avy nanatitra ny ambasadaoro frantsay, Jean-Marc Châtaigner. Any amin’ny fito kilometatra avaratr’i Farafangana, amin’ny tanàna kely ao anatin’ny Kaominina Anosy Tsararafa ilay fiaramanidina kely no nianjera ary latsaka tany an-tanimbary. Rehefa niala tao Farafangana ilay fiaramanidina omaly tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany dia voatery niverina satria nisy tsy fahatomombanana. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia efa tsikaritra mialoha io tsy fahatomombanana io ary efa nanana eritreritra ny hijanona ny mpanamory. Niainga ihany anefa ilay izy ka io niafara tamin’ny fianjerany io. Nisy ny faharatrana teo amin’ilay mpanamory izay hany tokana tao anatin’ilay fiaramanidina tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Ilay fiaramanidina kosa dia fantatra fa potika. An’ny vondron’orinasa Socota ity fiaramanidina nianjera ity. Niverina tamin’ny fiarakodia ny ambasadaoron’i Frantsa taorian’ity loza ity.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT