Actualités

Farafangana Nidina an-dalambe ny Vahoaka


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Olona an-jatony maro no nidina an-dalambe tany Farafangana omaly alarobia 31 aogosita 2011. Noho ny zava-misy ankehitriny izay tsy zakan’izy ireo no voalaza fa anton’izany.

 Tsy nanaiky izy ireo raha tsy nihaona tamin’ny lehiben’ny distrika any an-toerana. Araka ny loharanom-baovao dia saika avy amin’ny Foko Zafisoro ireto olona nidina an-dalambe ireto. Avy amin’ny Kaominina folo mahery ao anatin’ny distrikan’i Farafangana izy ireo. Ankoatra ny minisitry ny fampianarana teknika tamin’ny andron’i Deba, Levelo Boniface, nitarika ireo olona dia Mpanjaka enina avy amin’io Foko ihany koa no anisan’ireo lohandohany. Halafon’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana, antsojay ataon’ny tompon’andraiki-panjakana sasany any an-toerana, ireo no voalaza fa nataon’ireto olona ireto an-taratasy mihitsy ary natolotra ny lehiben’ny distrika. Tsy nisy ny fifandonanana na zavatra simba fa nanao teny farany izy ireo ny amin’ny handraisany fepetra raha toa ka tsinontsinoavina ity fitarainana nataon’izy ireo an-taratasy ity. Araka ny fantatra dia hitohy ao Mananjary ity hetsika ity amin’ny sabotsy ho avy izao.

 

Mohamed

 

Sary : Levelo Boniface, anisan’ireo nihetsika tao Farafangana omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT