Actualités

Farafangana Anarana sisa ny TVM


  • Talata 07 Jona 2016

Efa ho herintaona izay dia tsy mandeha lavorary ny fahazoan’ny olona ny fandaharan'ny Televiziona Malagasy (TVM) ao Farafangana.

Amboarina dia zara fa mandeha roa andro dia tapaka indray ao anatiny volana maro. Efa tsy mahateny intsony ny vahoaka madinika amin'izao satria toa tsy raharahain'ny fitondram-panjakana mihitsy nefa mba anisan’ny navitrika tamin'ny fametrahana an’i Hery Rajaonarimampianina teo amin'ny toerana maha filoha azy i Farafangana. Ireo mpitondra sy olom-boafidy any an-toerana moa toa tsy mahalala ny fahasahiranana sy fahasorenan'ny vahoaka, izay mimenomenona fa te hijery fandaharana toy ireny tantara mitohy ireny sy ny baolina kitra ary ny vaovao.

Amin'izao andro vitsivitsy tsy hanombohan'ny fiadiana ny tompondakan'i Eoropa (Euro 2016) izao dia mbola mitalaho ny mba hijerena vahaolana haingana satria mba te hanaraka izany mivatana, toy tanàna hafa ihany koa ny Vahoakan’i Farafangana. Raha mbola ho sarotra ny hisiana “émetteur” vaovao dia mangataka ny avy ao Farafangana amin'ny fitondram-panjakana na amin'ireo mpitondra sy olomboafidy ny hanasiana “télévision communautaire” eo an-tsena, amin'ny alalan'ny fandefasana amin'ny fijery lehibe (écran géan), mba hahafahana manaraka ny Euro 2016 sy ireo vaovao.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT