Actualités

Fanotorana tany eny Ampitatafika Miisa 25 ny alalana nomen-dRado Ramparaoelina


  • Zoma 15 Oktobra 2021

Maresaka ny fanotofana tany eny Ampitatafika Atsimondrano eny. Tsy miteraka olana anefa izany raha hahatsara zavatra raha araka ny fanadihadiana natao.

 Ho an’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaeolina manokana mantsy dia nambarany omaly fa miisa 24 na 25 eo ho eo ny alalana nomeny amin’ny resaka fanotofana ao amin’ny faritra iadidiany hatramin’ny naha-Ben’ny tanàna azy izany hoe : voadinika tsara fa tsy nataotao foana. Mikasika ny fanotofana ny tanimenabe ohatra dia nambarany fa tsy azo novolena vary mihitsy iny faritra iny teo aloha fa tratry ny tondra-drano foana. Sady potika ny tanimbary vokatr’izany no sahirana ny tompony. Ankehitriny nohavaozina ho lasa toerana hahafahana manangana orinasa lehibe sy goavana ny eny an-toerana raha mpandraharaha roa goavambe indray no efa manangasanga hiditra eny an-toerana ato ho ato. Mikasika ny fanotofana tany hafa moa dia nambarany fa vokatry ny tsy fahampian’ny lalana no manosika ireo tompon’andraikitra hanao izany. Mitombo hatrany mantsy ny filan’ny vahoaka hoy izy nefa ny foto-drafitrasa hampiasaina ny teo ihany no teo.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT