Fanotofana tany eny Anosizato I

> “Voaporofo ny fisian’ny kolikoly”, hoy ny HAFARI Malagasy


  • Zoma 06 Septambra 2013

Tonga ny valin-kafatra avy amin’ny filohan’ny HAFARI Malagasy amin’ilay resaka fanotofana tany ataona Karana mpanam-bola eny Anosizato Atsinanana I.

Mahagaga, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, fa Filoham-pokontany izany izao dia afaka manohitra ny filohan’ny tetezamita ka milaza fa ara-dalàna ny fanotofana tany ataona Karana eny Anosizato. Raha ny didy navoakan’ny fiadidiana ny tetezamita anefa, hoy izy, dia tsy azo atao amin’izao fotoana izao ity fanotofana tany ity eto Antananarivo Renivohitra nefa dia andro antoandro be izao ny kamio no mitondra tany atao amin’ity toerana ity. Voaporofo izao ny fisian’ny kolikoly eo amin’ity resaka ity, hoy ny filohan’ny HAFARI. Ho avy ny orana izao, hoy izy, dia ho hitantsika eo ny safo-drano hahazo an’Anosizato noho ity fanotofana tany mitohy ity. “Izahay dia tsy hihemotra izany mihitsy na dia rahonana ny ho faty aza ankehitriny”, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, fa tsy avelanay hanjakazakan’ny vahiny izany ny tanindrazanay fa masi-mandidy eto amin’ny taniny ny Malagasy. Mangataka ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hampihatra ny lalàna ny filohan’ny HAFARI.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT