Fanotofan-tany ataon’ny vahiny

> Miantso vonjy ny mponina eny Andranomahery-Ankorondrano


  • Alakamisy 20 Febroary 2014


Misy loza mitatao amin’ny fiainanay mponina miisa 1.000 latsaka kely eto amin’ny Fokontanin’Andranomahery-Ankorondrano noho ny fanotofana farihy ety amin’ny tanàna fonenanay ataona mpandraharaha vahiny ka miantso vonjy amin’ny fitondram-panjakana izahay mitady fiarovana. Mbola any amin’ny fitsarana ity ady hifanaovanay Fokonolona amin’ny vahiny ity, hoy ireto mponina amin’ny trano miisa 180 eo ho eo, nefa dia efa ho vita sahady ny lalana rarivato hidiran’ny fiarabe hitondra izany tany izany. Mampiahiahy anay ny trangan-javatra, hoy izy ireo, raha nanazava ny zava-misy tamin’ny mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha Alain Ramaroson tonga teny an-toerana noho ny fiantsoan-dry zareo ry zareo, fa efa in-dimy niakatra Fitsarana ity raharaha ity nefa nilaza ho tsy nahefa hatrany ny Fitsarana. Tokony hotandrovana hatrany ny zon’ny Malagasy amin’ny taniny, hoy i Alain Ramaroson, “aoka tsy ho vahiny eto amin’ny tanindrazany ny teratany Malagasy ka na tsy manam-bola aza mba manana tany hipetrahany”.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT