Fanosihosena ny zon’olombelona

> Nokianin’ny Amerikanina mafy i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 03 Martsa 2014

Henjana dia henjana ny fanakianan’ny departemantam-panjakana Amerikanina ny tsy fanajana ny zon’olombelona teto Madagasikara tamin’iny taona 2013 iny, ary voatonona manokana i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita tamin’izany.

Miharihary ao anatin’ny tatitra mikasika an’i Madagasikara ho an’ny taona 2013 fa tsy tambo isaina ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona nitranga nandritra ny fitondran’Atoa Andry Rajoelina. Nisongadina indrindra tamin’ireny ny tsy nahavitan’ny fitondrana tetezamita niantoka ny fanjakana tan-dalàna, izay nitarika fanararaotana nataon’ny mpitandro filaminana, anisany ny fandatsahan’aina ivelan’ny lalàna sy ny fitsaram-bahoaka. Anisan’ireo olana hafa mahakasika ny zon’olombelona koa ny hamafin’ny fiainana any am-ponja, indraindray mitarika fahafatesana, ny fahelan’ny fiandrasana ny fotoam-pitsarana, ny tsy fahombiazan’ny fitsarana izay tsy tena nahaleo tena, ny herisetra sy fandrahonana mpanao gazety, ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra, ny fanaovan-gazety sy ny fivoriana, ny kolikoly sy tsimatimanota eo anivon’ny mpitandro filaminana. Araka ny hevitry ny fanjakana Amerikanina ary voarakitra ao anatin’ity tatitra ity dia fotoana iray azon’i Madagasikara hararaotina ny velirano nataon’ny filoha voafidy tamin’ny fomba demokratika vao tsy ela izay handraisana fepetra mivaingana hanamafisana ireo andrim-panjakana demokratika, hanatsarana ny fanajana ny zon’olombelona, hiadiana amin’ny kolikoly, ary hanabeazam-boho ny fandraisana andraikitra sy ny mangarahara. Ny filoha Hery Rajaonarimampianina dia efa nilaza fa hataony ho vaindohan-draharaha ao amin’ny politikany ny fampandrosoana ny zon’olombelona, ny fanjakana tan-dalàna ary ny fitondrana tsara tantana. Zava-dehibe indrindra ny fandrosoan’ny toe-draharaha eo amin’ireo sehatra ireo, satria ny fanajana ny zon’olombelona dia anisan’ny mason-tsivana goavana ho an’ny famerenana an’i Madagasikara ho afaka mangataka indray ny tombontsoa manokana eo amin’ny raharaha ara-barotra mankany Etazonia, ao anatin’ny African Growth and Opportunity Act (AGOA). Hoy indrindra Atoa Eric Wong, mpiandraiki-draharahan’ny masoivoho Amerikanina eto amintsika : “Manainga ny hery velona rehetra izahay hametraka ny hoavin’ny vahoaka Malagasy ho laharam-pahamehana, ary hiaraka hisalahy hamerenana ny fanjakana tan-dalàna, hiantohana ny fanajana ireo zon’olombelona ekena maneran-tany, ary hamerenana ny firenena ho eo amin’ny lalan’ny fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-toekarena”. I Etazonia moa dia nanamafy hatrany fa vonona ny hiaraka hiasa sy hanohana ireo fikambanana, firaisamonim-pirenena na olon-tsotra miasa eo amin’ity sehatry ny fiarovana ny zon’olombelona ity ary nampatsiahy fa ny fanjakana Amerikanina no laharana voalohany amin’ny fanampiana ara-bola mivantana ny mponina eto Madagasikara.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT