Actualités

Fanorenana tsy ara-dalàna eny Ankatso Misy andian’olona manambitamby ireo mpianatra


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Nafampana tato ho ato ny resaka fanorenana fotodrafitrasa tsy ara-dalana ao anatin’ny faritry ny oniversiten’Antananarivo,

 hoy ny fanazavan’ny talen’ny sampandraharaha misahana ny fonenan’ny mpianatra eny Ankatso na CROU-A, Mamisoa Aina. Misy andian’olona, hoy izy, manao fahazarana mihitsy mandika ny fenitry ny faritra azo hanaovana izany ary manao fanorenana tsy ara-dalana. Manararaotra ilay faran’ny herinandro tsy hisian’ny mpiasa manara-maso eny an-toerana iny hanaovany fanorenana ary manohy izany hatramin’ny andro alina mihitsy. Ilay farany teo moa mbola tratranay teo ny alatsinainy dia iny narodanay iny. Hatramin’izay nahatongavako teto dia tena hentitra manoloana io fananganana tsy ara-dalana io ary nanome baiko fa ny fananganana rehetra amin’ny faritra onenan’ny mpianatra dia tsy maintsy mandalo fanaraha-maso hoe tena manana taratasy ara-dalana ve ilay olona? Tokony hanana titra sy fahazoan-dalana hanorina aloha voalohany izany. Tsy mbola nisy nitondra an’izay hatramin’izay nahatongavako teto. Miezaka foana manakana, araka izay tratranay izahay, noho izany. Ny mampalahelo dia indraindray tambatambazin’ireny olona ireny ilay mpianatra dia tsy miteny satria hampanantenainy toy ny hoe hamboarina ny toerana fatorianareo sy ny toy izany dia noho izay tombontsoa kely antenainy izay dia lasa mijoro miaro ireny olona ireny koa indraindray ilay mpianatra. Misokatra hatrany ny varavarako ho an’ny fifampiresahana ary hanaovako antso avo ho an’ireo mpianatra izany, hoy hatrany ny tenany. Nahena ho 213 moa ankehitriny ny isan’ireo mpiasan’ny CROU-A, raha toa ka 300 isa mahery izany teo aloha, hoy ny fanampim-baovao voaray.
J. Mirija
Legende: Ny talen’ny CROU-A
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT