Actualités

Fanorenana kianja marolafy Mafanafana ao Ambondrona Mahajanga


  • Zoma 24 Jona 2011

Taorian’ny disadisa nateraky ny fanorenana hopitaly ao amin’ny kianja Gradin Ampisikina Mahajanga dia fantatra izao fa itrangana olana ihany koa ilay tetikasa fanorenana kianja marolafy ataon’ny Fahefana avon’ny tetezamita ao Ambondrona, misy ny oniversiten’i Mahajanga.

 Hatao ho solon’ilay tao Ampisikina, fikotranan’ny tanora izy io. Tany mirefy 234 ha no voalaza fa tanin’ny oniversite ao, saingy ny 70ha sisa tavela fa feno trano. Mananika ny 1000 tafo ny trano miorina ao Ambondrona, misy Mosquée. Tsy maintsy hisy fandravana trano aterak’ity fanorenana kianja marolafy ity. Efa natao ny sabotsy 18 jona teo ny fametrahana ny vatofototry ny asa, notarihin’ny minisitry ny fanatanjahantena Ndremanjary Jean André sy ny minisitry ny fampianarana ambony Rabesa Zafera Antoine. Nandritra io fotoana io anefa dia nilanja sorabaventy ireo Fokonolona horavana trano, mandà ny hanalana azy amin’ny toeram-ponenany ary mitaky vahaolana fa tsy hatao bodongerina fotsiny. Nilaza moa i Ndremanjary Jean André, fa “tanim-panjakana misoratra amin’ny oniversite io”, ny Fokonolona miorim-ponenana ao koa anefa manizingizina fa manana taratasy izy ireo, ary tsy hilefitra na eo aza ny firosoan’ny FAT. Kasaina hovitaina ao anatin’ny efa-bolana ny fanamboarana io kianja marolafy io. Mafanafana anefa ny raharaha, koa asa na ho tratra ara-potoana izany.

 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT