Actualités

Fanorenana hopitaly manara-penitra Fandatsana ny vahoaka any ambanivolo


  • Talata 28 Jona 2011

Manao tohivakana ny fikatonan’ireo tobim-pahasalamana fototra any anivon’ny Kaominina ambanivolo any tato anatin’izao krizy izao. Maro ny mety ho antony.

 Eo ny resaka tsy fandriampahalemana ka mitsoaka an-daharana izay mpiasan’ny fahasalamana notendrena hiasa tany, eo ny olana ara-bola hampandehanana azy... Misy kosa ireo CSB mbola mamoha varavarana saingy tsy misy dokotera akory, na tsy misy mpitsabo mpamampy no tsy misy fanafody. Fahasahiranana tsy roa aman-tany ny an’ny Vahoaka any ambanivolo any. Dia an-tongotra kilaometatra maro no ataon’ny mponina vao mahita dokotera rehefa misy tsy salama, iaraha-mahita anefa ny asan-jiolahy. Be no manao dokotera tena amin’ny raokandro, na manatona mpitsabo nentimpaharazana noho io. Misedra ny mafy koa ireo vehivavy bevohoka rehefa hiteraka, noho ny tsy fisian’ny mpampivelona.

Zary fandatsana ho azy ireo ny fitanisan’ny mpitondra ao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita fa manangana hopitaly manara-penitra isaky ny renivohi-paritany, izay efa an-dalam-panatanterahana ny sasany amin’izao fotoana izao. Maninona no tsy omena fitaovana sy hatsaraina ny efa misy raha misy vola ihany ? Efa mihatra aman’aina mihitsy mantsy ny raharaha ankehitriny any ambanivolo any. Tsy lavitra akory fa etsy Arivonimamo, Faritra Itasy iny, dia CSB II miisa roa no fantatra fa mikatona dia ny ao Mahatsinjo Est sy Morafeno. Ankoatra izay, tsy misy dokotera ny CSB2 ao Andranomiely, toy izany koa ny ao Marofangady, Ambohimasina ary Alakamisikely. Manamafy ny fisian’ireo tranga ireo ny depioten’Arivonimamo, Rakotomanjato Rodin. Ity farany aza mbola nampahafantatra fa tsy manana Paramed koa ny CSB2 ao Miantsoarivo, toy izany koa ny ao Ambohimpandrano, Ambohitrambo ary Antenimbe, samy Kaominina ao anatin’io distrikan’Arivonimamo io avokoa.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT