Actualités

Fanorenana fotodrafitrasa Be loatra ny resaka, ny asa anefa mitaredretra be


  • Alatsinainy 12 Desambra 2022

Raha ny fihetsiketsehana aloha no mampandroso dia resin’i Madagasikara izao tontolo izao ary dia tena ho tanteraka tokoa ilay hoe « champion » na tompon-daka isika

Izany no lasa fomba fijerin’ny olona ny zava-misy iainana eto noho ny sehoseho ivelany tsy arahana asa tena mivaingana avy amin’ny fitondram-panjakana.Efa samy miaiky anie fa ilaina ny fotodrafitrasa toa ny lalana, hopitaly, sekoly, biraom-panjakana, toeram-pidiovana, trano fandraisam-bahiny, zaridaina mahafinaritra ialana sasatra , toeram-pialamboly sy fitsangatsanganana... ary efa tena fahita maneran-tany izany.Saingy ny olana eto Madagasikara, tato ho ato izay dia ny fehezan-teny sy ny fanomezan-toky goavana be, vita ny fety fametrahana vato fototra ambara fa fanombohana ny asa, mangiana tanteraka amin’izay ilay tetikasa.Eo vao mandeha ny fifampiresahana amin’ny olona eo amin’ilay tanànasy ny manodidina azy , na koa ny faritra handalovan’iilay « autoroute » na lalambe migodana ohatra tahaka an’ity hoe hampitohy an’Antananarivo – Ambatondrazaka – Toamasina mirefy 260 km ity. Mampanontany tena ilay fahanginana tampoka avy eo hoe : Fa lasa aiza avokoa ireto « engins » maro be fa toa « bulldozer » iray sisa no tazana eny an-toerana mitrongitrongy tany. Manaraka izany toa tsy misy ny antsoina hoe « installation de chantier » na ny toerana itobian’ireo mpiasa sy ny fitaovana kanefa tetikasa goavana be no hatao. Fa ny tena raharaha dia hay kay tsy tena mbola nisy fifampiresahana tamin'ireo tantsaha ny amin'ny fanonerana mazava tsara na ny ny resaka mari-bola io na ny tetiandro handoavana azy fa dia hoe tsy maintsy ho vitaina eo ihany io .
SARY 1 : Fihetsiketsehana be rehefa hoe hametraka vato fototra
SARY 2 : Rehefa hoe raikitra amin’izay ny asa
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT