Actualités

Fanorenan-tokantrano ao Toamasina Niisa 105 ireo vahiny nanambady Malagasy tao anatin’ny 3 volana


  • Talata 08 Aprily 2014

Raha ny tarehimarika voaray teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanambadiana ao amin’ny Kaominina Toamasina I, dia nahatratra 105 ireo teratany vahiny izay Frantsay ny ankamaroany nanambady Malagasy.

 Niisa 39 ny volana janoary, 20 tamin’ny febroary ary 46 ny martsa. Raha jerena kosa anefa ireo Malagasy misora-panambadiana dia vitsy satria tao anatin’ny telo volana io dia tsy nisy afa-tsy 31 ka 11 ny volana janoary, 8 ny febroary ary 12 ny martsa. Raha halalinina ireo tarehimarika ireo, araka ny fanazavana dia tsy dia marisika amin’ny fisoratam-panambadiana ny tovolahy Malagasy noho ny antony maro, anisan’ireny ny ara-bola sy ny resaka fomba amam-panao.

Ireo teratany vahiny kosa dia ny fitadiavana fomba hipetrahana eto Madagasikara no antony, eo ihany koa ny fialana ny krizy eoropeanina ary ny fikatsahana fihariana vaovao. Ankoatra izay, niisa 11 ny fisaraham-panambadiana voarain’ny Kaominina avy amin’ny Fitsarana tao anatin’ny telo volana voalohany, ka niisa 2 ny volana janoary, 3 ny febroary ary 6 ny martsa. Ny resaka fampirafesana, tsy firaharahaina ny vady aman-janaka ary ny fitsoahana adidy tsotra izao no anton’ny fisarahana, araka ny fanazavana. Mitovy anefa ny heloky ny lahy sy ny vavy ao anatin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT