Actualités

Fanondrotana 25% ny SMIG Fanimbazimbana ny asam-panjakana, hoy Raveloson Constant !


  • Alarobia 09 Martsa 2011


Ho an’i Constant Raveloson mpikambana ao amin’ny antoko MFM sady tompon’andraiktra eo anivon’ny sendika Tolon’ny Mpiasa dia fanimbazimbana tsotra izao ny hasin’ny asam-panjakana ny fampiakarana ho 25% ny karama farany ambany (SMIG) ho an’ny mpiasam-panjakana. Azo adika avy hatrany ho fanavakavahana sy fampisaraham-bazana mihitsy ny mpiasam-panjakana izany, hoy izy, satria dia tahaka ny atao ambanin-javatra sy saziana mihitsy ve izany ireo mpiasam-panjakana mitana andraikitra ambony ary tena nandany ron-doha sy taona maro nianatra sy nandalim-pahaizana ? Ny fanapahan-kevitra sadasada tahaka ireny, araka ny nambaran’i Constant Raveloson, no mahatonga ny manampahaizana Malagasy tsy tamana miasa eto fa mila ravinahitra any ivelany, satria tsy nomena ny tandrify azy izy ireo.

Tsy sanatria alahelon-kanina na resaka ory hava-manana na mialona ny tombontsoa mety ho azon’ireo mpiasam-panjakana mandray karama farany ambany izany, araka ny filazany ihany, fa fitakiana ny fandraisana fepetra araka ny tokony ho izy, fa tsy fanapahan-kevitra misy tanjona politika foana no ampiharina ao amin’ny tontolon’ny asam-panjakana. Mampihena, ary mety manafoana mihitsy ny risi-pon’ireo mpiasam-panjakana hafa, ankoatra ny mandray SMIG ireny ka mety hanakorontana ny tontolon’ny asam-panjakana, araka ny nambarany ihany. Fandaminana fa tsy fanakorontanana no tokony hatao ao anatin’io asam-panjakana io, hoy izy koa mila fitandremana be mihitsy, noho izany ny fanapahan-kevitra rehetra raisina.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT