Mbola mandeha ihany ny fanondranana olona an-tsokosoko eto amintsika.
Teratany Kaomoriana iray izay fantatra fa efa lany pasipaoro tamin’ny 20 oktobra 2018 kanefa mbola nivezivezy teto Madagasikara, niampy Malagasy iray no tatran’ny zandary tany Nosy Be. Fanondranana rongony sy olona an-tsokosoko avy ao Nosy Be miazo ireo tanana maro samihafa any ivelany toa an’i (Anjouan Comores) miditra eto amintsika no asa hataon’izy ireo amin’izany. 4 tapitrisa Ar isanisany ny vola alain’ireto mpanao ratsy ireto amin’ireo mpandeha izay tanteriny amin’ny alalan’ny "bateaux voile" . Any Nosy Be sy Mahajanga no toerana fakan’izy ireo, ireo olona hiondrana an-tsokosoko. Nisy olona 14 isa mihitsy moa mbola niandry azy ireo tao Mahajanga tamin’io fotoana io. Raha araka ny fanazavan- Draherimaminirainy Zoly kaomandin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Nosy Be dia anisan’ny tena nanaitra azy ireo nandritra ny famotorana natao tamin’ireo mpanao ratsy ny nilazan'ilay kaomoriana fa maro amin’izy ireo ao Mahajnga no manao io asa fanondranana olona an-tsokosoko io. Nalefa anya m-ponja vonjimaika moa ity farany raha afaka kosa ilay tera-tany Malagasy iray sy ilay tombona sambokely hitaterana ireo mpandeha.
Pati
Legende : Ela ny ela fa tratran’ny zandary ihany ireo olon-dratsy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.