«Mila miova ny mpandraharaha mpanondrana lodsia amin’ity taom-panondranana 2011 – 2012 ity, raha tsy izany ho simba ny fanondranantsika lodsia makany Eorôpa, mety ho foana mihintsy, ary ho voasakana tahaka ireo entana tsy manaraka ny fenitra eorôpeana nosakanany koa ny vokatra lodsiantsika io, toy ny concombre sy voasary ary voatabia tany Eorôpa ireny, teo koa ny hena sy legioma japoney voan’ny taratra nokleary ireny”.
Izay no nambaran-dRafidimanana Narson, filohan’ny Vondron’ny mpandraharaha mpanondrana lodsia Malagasy (GEL). Mpandraharaha miisa 29 no mivondrona ao, izay maneho ny 95% ny mpandraharaha manerana ny nosy. Misy ny bokin’andraikitra vaovao tsy maintsy aharan’ny mpandraharaha te-hanondrana lodsia amin’ity taom-piotazana ity, mba hanavotana io tsena ao Eoropa efa mihozongozona io, hoy Rafidimanana Narson. Ireo mpanondrana tsy manaraka io fepetra io dia tsy azo ekena hanao ny fanondranana mihintsy, mba tsy ho ny daholo be no lasibatra.
Nomarihany fa ho hentitra ny fanaraha-maso izay iarahan’ny ministeran’ny varotra, ny GEL, ny PPRR ary ny CTHT manao. Amin’ny tapaky ny volana septambra izao no hijerena voalohany ireo “Station litchis” rehetra misy, ny volana oktobra ny fidinana faharoa ary mialohan’ny fisokafan’ny taom-piotazana ny volana novambra ny fahatelo. Araka ny fantatra dia tsy manara-penitra ny fanondranana lodsia Malagasy, ary efa ny taona 1999 no tsikaritry ny Eoropeana io ka nandraisana ity fepetra ity. Ny taona lasa dia 17.500 taonina teo ny lodsia malagasy naondrana tany Eorôpa. Rungis moa ny tsena goavana (60%) ho an’ny Malagasy hatreto. Fantatra anefa fa mety hihena ny lodsia azon’ny Malagasy haondrana amin’ity taona ity vokatr’io tsy fanarahana ny lalàna eorôpeana io. Ny dia hataon’ny GEL any Eorôpa ato ho ato no hamaritra ny fatra azon’ny Malagasy haondrana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.