Nahazoam-bola avo efatra heny ny fanondranana jirofo nankany ivelany tato anatin’ny sivy volana. Raha 52,5
tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ny taona 2021 dia tafakatra 224,7 tapitrisa dolara izany nandritra ny sivy volana voalohany tamin’ity taona 2022 ity araka ny antontan’isa navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Nahatratra 40.000 Taonina ny vokatra jirofo tamin’ity taona ity raha 25.000 Taonina izany tamin’ny herintaona. Araka ny loharanom-baovao dia efa misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana fahazoan-dalana hanondrana jirofo ho an’ny taona 2021-2022 ary tsy manan-kery intsony ny fahazoan-dalana teo aloha manomboka ny 31 oktobra 2022. Marihina fa i Madagasikara no mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny fanondranana jirofo. Faharoa kosa isika amin’ny famokarana aorian’i Indonezia.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.