Actualités

Fanondranana hazo sarobidy Tamin’ny 2009 no natao ny 50%


  • Alatsinainy 23 Mey 2016

Nahatratra 104.000 taonina ireo hazo sarobidy naondran’i Madagasikara teo anelanelan’ny taona 1998 hatramin’ny 2014.

 

 Fanondranana tsy ara-dalàna niseho ny taona 2009 moa ny 50% na 52.000 taonina, izany hoe 1 hetsy fototra tamin’ireo, hoy ny tambajotra iraisampirenena mpanara-maso ireo karazana tsy fahita firy sy manentana ho amin’ny varotra manara-dalàna. Tsy latsaky ny 7 alina kosa ireo bolabolana andramena nivoaka an-tsokosoko ny faritra ivelan’ny firenena Malagasy ny volana janoary hatramin’ny jona 2014. Babo tany amin’ireo firenena vahiny avokoa anefa ireo bolabola 5 alina mahery. Nanodidina ny 1.800 taonina kosa ny hazo voamboana lasa tany andafin’ny riaka ny taona 2010 hatramin’ny 2012 sy tamin’ny taona 2014. Tsy misy aloha hatreto ireo olon-dratsy voasazy. Tsy hita taratra ihany koa ny mangarahara ara-tarehimarika amin’ireo fanisana ireo boaderozy tahiry tratra sy ny nampiasana azy ireo. Tena be mpitady eo amin’ny tsena iraisampirenena ireo karazana hazo sarobidy. Mitana ny laharana voalohany amin’izany ny firenena sinoa. Novidiana 6 000 euros ny taonina iray amin’ny andramena ny taona 2006. Sandaina 9 000 euros kosa izany amin’izao fotoana izao.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT