Actualités

Fanondranana «bois de rose» Voatonontonona ny orinasa Mamilaza


  • Alarobia 03 Aogositra 2011

Samy miandry izay tohin’ny fanadihadiana momba ny fanondranana andramena na «bois de rose» avokoa ny rehetra.

 Raharaha izay efa nahavoarohirohy olon-tsotra, miaramila, mpiasan’ny fadintseranana ary koa mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita iray. Miandrandra ny hanaovan’ny tomponandraikitra ampamoaka momba ireo atidoha tena miketrika azy ireny koa ny vahoaka. Fakan-tahaka ny fihetsiky ny Tale jeneralin’ny seranan-tsambo ao Vohémar, Andrainizao Jocelyn, izay nanonona ny orinasa Mamilaza ho tompon’antoka tamin’ny aferana andramena miisa 2.400 sarona tao Vohémar ka nampidirana am-ponja olona 25.

Namaky bantsilana kosa ny lehiben’ny faritra SAVA Abdillah fa noho ny hamaroan’ireo vahiny any an-toerana izay mitondra volabe an-taratasy no tena manasarotra ny ady amin’ity raharaha ity. Mampiasa ny mena miraviravy ireo vahiny izay Sinoa no ankamaroany ka maro no tsy maharitra. Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana hisava ireo kaontenera rehetra ny tomponandraiki-panjakana any SAVA. Ankoatra izay dia voarara koa ny fitondrana kaontenera efa mihidy ao amin’ny seranan-tsambo fa tsy maintsy taomina amin’ny kamiao avokoa aloha ny entana izay vao hidiana ilay kaontenera, araka ny nambaran’i Andrainizao Jocelyn hatrany.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT