Actualités

Fanondranana «bois de rose» Misy sambo sy lakana mivezivezy ao «Parc Marin Tanjona»


  • Sabotsy 03 Aogositra 2013

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy.

Tsy manaiky mihitsy ireo mpandroba ny harem-pirenena miezaka manondrana “bois de rose” raha ny tatitra avy amin’ny AVG. Tamin’ny 31 jolay teo dia lakana lehibe telo feno “bois de rose” no hitan’ny Fokonolona manakaiky ny morondrano teo “Parc Marin Tanjona”. Niampy sambo madinika fito sy sambo lehibe teo amin’io toerana io ihany ny 1 aogositra. Raha nikasa hamantatra ny anton’ny fikasana fiantsonan’ireo sambo sy lakana ireo eo amin’ilay toerana ny mpiasan’ny “Parc Marin” dia nisy olon-tsy fantatra nampitandrina azy ireo tsy hanakaiky. Manahy ny AVG fa mety hamindra ny “bois de rose” entiny anatin’ilay sambo ireo lakana kely sy ireo sambo madinika. Nanamarina ny fisian’ny fivezivezen’ny sambo ao amin’ny helodranon’i Cap Est ny “chef de secteur” ao Ambohitralanana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana mpiara-miasa amin’ny AVG dia misy hatrany ny fitaterana bolabola miainga ao Antalaha mihazo ny tanànan’i Androbazaha ao Cap Est isak’alina tao anatin’ny andro vitsy izay. Efa nampahafantarina izao zava-misy izao ny fitantanana ny “Parc Marin” ny zandary ao Antalaha ary ny Cantonnement ao Antalaha. Handray andraikitra ve ?

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT