Actualités

Fanondranana «bois de rose» Iray volana an-tranomaizina no sazy mavesatra indrindra


  • Alarobia 03 Aogositra 2011

Mifanohitra hatrany ny zavatra lazaina sy ny zava-misy. Niarahan'ny rehetra heno fa hiady amin'ny fanondranana Andramena ny FAT.

 Heverina fa masiaka ny fepetra mifanandrify amin'izany, na amin'ny lalàna na amin'ny fisamborana ireo olona. Ekena fa nisy tokoa ny olona nosamborina tetsy sy teroa saingy tsy mbola ireo tena «trondro be» na tremalahy nandrasana akory. Omaly indray, nandritry ny filankevitry ny governemanta dia nivoaka tamin'ny tatitry ny ministera tompon'andraikitra fa iray volana an-tranomaizina hatreto no azon'ireo izay efa voatsara.

Dimy no isan'ireo olona izay niharan'io sazy io. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe angaha tsy heloka bevava indray ny fanondranana ny andramena ary inona no antony hananganana Tribonaly manokana momba azy io raha toa ka tsy lalàna henjana no hampiharina ? Manaraka izany, ny trondro kely hatrany aloha hatreto no samborina. Ny faran'izay ambony dia ny CT Ezekiela sy ilay Ben'ny tanànan'i Sadjohavato. Fa mba aiza kosa ireo nanome alalana hivoahan'ny hazo, ary koa ireo mpanasonia ? Izany no andrasan'ny vahoaka. Momba ity tatitry ny ministera tompon'andraikitra ity ihany dia fantatra fa andramena miisa 4 108 no efa tanan'ny Fanjakana amin'izao fotoana. 3 605 amin'ireo no «rondins» ary 503 kosa «plaquettes».

Misy ihany koa ny voamboana na “palissandre” miisa 186  ao anatin'izany ka ny 119 dia «rondins» ary ny 67 kosa dia «bois carrés». Trano tsy ara-dalàna misy ireo mpanodrana miisa 48 no noravaina. Ankoatra izay, araka ny tatitra ihany dia misy olona telopolo hafa voarohirohy ka ny iray tamin'ireo dia nafahana madiodio noho ny fisalasalana. Nomarihany ihany koa fa 23 no natolotra ny Fampanoavana ka ny 21 no naiditra am-ponja vonjimaika, ny iray naiditra hopitaly ary ny iray hafa mbola any am-pitsoahana. Efa mandeha amin'izao fotoana izao ny fametrahana any amin'ny toby miaramila ireo hazo sarobidy ireo. Misy ihany koa ny fampiasana ny helikoptera mba hiarovana ireo ala arovana. Iza no «trondrobe» ? Eo ihany ny vokatra fa mbola andrasana ny valin'io fanontaniana io.

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT