Actualités

Fanompoambe tany boeny Nanome lambahoany sy omby i Assanati Famo Gidraka


  • Talata 12 Jolay 2022

Hetsika ara-kolontsaina iray na fomban-drazana tena mampiavaka ny Faritr’i Boeny ny Fanompoambe.

Tanterahina ao Mahajanga hatrany izy io isaky ny vakansy lehibe tahaka izao ary tena mahavory olona marobe tokoa. Toy ny fanaony isan-taona dia tsy nanadino ireo mpiara-belona tany an-toerana ny fikambanana Assanati Famo Gidraka, tarihin’ny filoham-boninahiny Rtoa Assanati Famo Gidraka. Nisy ny fanolorany lambahoany ho an’olona miisa 500 nandritra izany niampy omby izay novonoina nentina namahanana ireo vahoaka marobe nanatrika izany. Ho fanandratana avo ny soa toavina Malagasy no sady ho fampiraisana ny mpiray tanindrazana no tanjona. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo mponina any amin’ny Faritra Boeny izany fanampiana nataon’ny fikambanana Assanati Famo Gidraka izany. Tsy adinon-dRamatoa Assanati Famo Gidraka anefa nandritra izany ny nampahafantatra ny fanjakana fa misy misoloky ny kaontiny ka manahy ny amin’ny hisian’ireo olona mety ho voafitak’izany izy. Tsy manana kaonty afa-tsy amin’ny anaran’ny Assanati Famo Gidraka ofisialy ny tenany, raha araka ny fanazavany. Mahatratra 184.885 ireo mpanaraka azy ankehitriny, mampihatra ilay teny filamatra manao hoe : Antsika jiaby toujours avec Assanati Famo Gidraka ary ny Werawera tsy maintsy mandeha. Miantso ny fanjakana mba handray andraikitra araka izany ity filoham-boninahitry ny fikambanana ity hahafahana manafoana ireo mpisoloky.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT