Actualités

Fanomezana « visa » Nafindran’ny Frantsay eny Ankorondrano ny biraony


  • Talata 31 Mey 2016

Notokanana omaly teny amin’ny Business Explorer Park Ankorondrano ny sampandraharaha ivelany momba ny fanomezan-dalana (visa) ny Biraon’ny konsily jeneralin’i Frantsa.

 

 Tonga nitokana izany teny an-toerana Rtoa Atallah Béatrice, Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rtoa Véronique Vouland-Aneini, Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara ary Atoa Etienne Leandre, Konsily jeneralin’i Frantsa eto Antananarivo.

Ny Biraon’ny Konsily jeneraly eto Antananarivo dia mandinika ny fangatahana fanomezana « visa » ho an’ireo tanàna lehibe any Frantsa sy ny departemanta ampitan-dranomasina (DOM) toa an’i La Réunion, Martinique, Guadeloupe, Guyane, Mayotte, ireo Vondrom-bahoaka momba ny lafin-tany ampitan-dranomasina (Saint-Pierre sy Miquelon), ny Tany ampitan-dranomasina (Polynezia frantsay, Nouvelle-Calédonie, Wallis sy Futuna, Tany amin’ny faritra atsimo sy any amin’ny tendrontany atsimo frantsay). Mikarakara ihany koa ny « visa » mankany amin’ireo firenena Schengen miisa 11 dia i Alemaina, Aotrisy, Belzika, Espaina, Estonia, Gresy, Islandy, Italia, Luxembourg, Portogaly ary Slovenia izay fivahiniana fohy ihany ary amina afrikanina toa an’i Burkina Faso, Djibouti, Gabon, Mauritania, Repoblikan’i Centrafrika ary i Togo (« visa » fivahiniana fohy ihany).

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT