Actualités

Fanomanana fifidianana Misavorovoro ny CED Antsirabe


  • Alarobia 23 Janoary 2013

Misavorovoro ny rantsan’ny CENI-T ao amin’ny Distrikan’Antsirabe I na CED. Re mantsy fa mitaky ny fanesorana ny filohan’ny CED ireo mpikambana 06 amin’ireo mpikambana 08 ao satria mahatsapa fa ho henjana ny fiatrehana ny tena asa mandritra ny fifidianana.

 Raha ny fototry ny olana dia voalaza fa hatramin’ny fotoana saika hanaovana ny fifidianana nananganana ny CEC na ilay komitin’ny fifidianana eny anivon’ny Kaominina na Boriboritany ho an’Antsirabe. Tsy tafatsangana mandraka ankehitrio io rafitra io nohon’ny tsy naneken’ity filohan’ny CED ity ny hanaovana ilay fifidianana, ary na dia nahemotra lava aza tsy nety tontosa, hoy ny loharanom-baovao. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ireo Delegem-panjakana sendra ny gazety dia velon-taraina mihitsy izy ireo satria lasa izy ireo indray no ampisahan’ny CED ny asan’ireo komity CEC, kanefa tsy misitraka izay tambin’izany asa izany akory izy ireo.

Voalaza fa efa nandefa fitarainana any amin’ny Distrika izy ireo manoloana izany. Araka ny loharanom-baovao dia efa nametraka olana koa ity filohan’ny CED ity tamin’ny fomba nisafidianana ireo mpanisa mpifidy satria tsy mba teny amin’ny Fokontany no nisafidianany ireo olona ka niteraka savorovoro nandritra ny asa satria tsy fantatr’ireo olona mpanisa mpifidy ny Fokontany niasany ka nampitarazoka ny asa.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT