Actualités

Fanomanana fanadinana Atao fangalam-bola ny mpianatra


  • Alarobia 21 Martsa 2012

Velon-taraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao Vakinankaratra amin’ny afitsok’ireo tompon’andraikitra sasany misahana ny fanadinana any an-toerana amin’izao fotoana fikarakarana ny antontan-taratasy izao.

 Raha ny fitarainana nataona ray aman-dreny iray manan-janaka hanao fanadinana bakalorea teknika dia ampandoavina 2.000 Ar isan’ankizy ireo mpianatra, izay miisa 200 mahery, mba hanaterana ny dosie aty Antananarivo, hono. Ny toeram-pianarana hafa, izay manana mpiadina an-jatony maro, dia 1.000 Ariary isaky ny mpianatra no aloa. Mahalasa saina, hoy ny ray aman-dreny ity fomba ity fa toa atao fakam-bola indray ny mpianatra kanefa ny ray aman-dreny no mizaka izany amin’izao fahasahiranana iainana izao. Mangataka ny hijerena akaiky ity raharaha ity moa ireto ray aman-dreny izay velon-taraina ireto amin’izao endrika fanangonam-bola an-kolaka izao.
Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT