Actualités

Fanolanana teny saropody Androndrakely Lasibatra hatramin’ny vavan’ilay zazavavy kely 11 taona


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Tena miharatsy hatrany ny toe-javatra iainantsika eny anivon’ny fiaraha-monina eny ka ilana fitandremana fatratra, indrindra fa ho an’ireo manan-janaka vavikely.

Tovovavy kely iray vao 11 taona monja indray mantsy no fantatra fa naolana lehilahy miisa 2, teny Androndrakely Saropody, tamin’ny alahady 30 oktobra teo. Ankoatra ny fivaviany izay lasibatr’ireo mpanolana hatrany amin’ny ankapobeny dia fantatra fa naolan’ireo tsy mataho-tody ihany koa ny lavaka fivoahan’ny malotony. Tsy nijanona teo izany fa tonga hatrany am-bavan’ity zazavavy kely ity ka nampitondra takaitra maharary azy. Raha araka ny fanazavan’ilay tsy manan-tsiny dia ny iray nanampina ny vavany hatrany nandritra izany raha nanararaotra nanao ny filan-dratsiny ny iray. Noho ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReniny anefa dia tamin’ity herinandro ity izy ireo vao afaka nametraka fitoriana. Tsy maintsy mila vola 60.000 Ar mantsy izy ireo hahafahana maka ireo nahiana ho nanolana nalaina am-bavany teny amin’ny polisy.
NIKAKA RA SY NANDOA
Raha araka ny fanazavana hatrany dia nandoa sy nikaka ra ity zaza ity ny 31 Oktobra, antony nahafantarana ny tena nanjo azy. Nandeha tany amin’ny dadabeny kosa no anton-diany teny Saropody. Natahotra ny ho bedy anefa izy tamin’io andro nanolanana azy io ka tsy sahy nitaraina tamin’ireo Ray aman-dReniny. Tao amin’ny CSB II Tanjombato ity zaza ity no nentina voalohany. Rehefa nahita ny fahasimbany tanteraka anefa ireo mpitsabo tao dia avy hatrany dia nandefa azy teny amin’ny Centre Vonjy Befelatanana. Raha araka ny fantatra moa dia mandrahona fatratra ny fianakavian’ity zazavavy kely ity ireo olona ahiahiana amin’izao fotoana izao koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny fitondram-panjakana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovovavy kely miaraka amin-dReniny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT