Nanomboka tamin’ny taona 2003, no naolan-drainy niteraka azy ny tovovavy iray
monina any Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Tsy sahy nilaza na nitantara taman’olona mihitsy anefa izy nandritra izany. Tsy nanan-tsafidy ihany koa izy satria tsy maintsy nipetraka tamin-dRainy. Efa nisaraka mantsy ireo nahitany masoandro. Taty aoriana nanambady ilay tovovavy kely. Ny nampalahelo anefa dia mbola tsy namelan’io Rainy io foana izy ka isaky ny mamangy azy ka raikitra hatrany ny fanolanana. Nahatsiaro ho naharary sy menatra ilay tovovavy nanoloana izany ka nitory ilay Rainy. Nosamborina ity farany noho izany ka omaly Alatsinainy no natolotra ny fitsarana izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.