Actualités

Fanolanana sy famonoana any Fleuryce Teratany Espagnol iray sy Malagasy telo any am-ponja


  • Alakamisy 10 Novambra 2022

Tranga nampivarahontsana ny faran’ny herinandro ny fahafatesan’ny tovolahikely iray vao 7 taona antsoina hoe Fleuryce,

izay ny vantana mangatsiakny sisa hita faty tao anaty “piscine” tao amin’ny Hotely Laguna Beach Morondava. Ny 06 novambra teo no nisehoan’ny tranga satria tsy hita tokony ho tamin’ny 2ora tolakandro ity tovolahikely ity, ary efa vatana mangatsiaka sisa hita tany ho any amin’ny tamin’ny 5 ora hariva. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny Polisy tany an-toerana dia fantatra fa nisy nanimba ity zazalahikely ity, izany hoe: naolana, ary nalefa tany anatin'ilay dobo filomasana ny fatiny hoentina hilazana fa nilentika ho azy tao izy. Rehefa nitohy ny fanadihadiana nataon'ny Polisy dia fantatra fa vazaha iray 70 taona teratany "espagnol" mpizahatany no voalaza fa hita farany tamin’ny “camera de surveillance” niaraka tamin'ilay tovolahikely nilalao tao anaty piscine ary samy tsy hita ny nalehan'izy ireo avy eo. Niray tsikombakomba tamin'ity vahiny ity ihany koa ny vehivavy tompona hotely sy ilay mpiambina ilay dobo filomanosana ary ny tovolahy iray hafa izay fantatra fa samy nanafina ny fatin'ilay zazalahy kely, hoy ny tatitry ny manam-pahefana. Nosamborina avy hatrany izy 04 ireto ary rehefa natolotra ny fampanoavana dia niditra am-ponja vonjimaika ao amin'ny fonjan'i Morondava. Nisy ihany koa aza moa ny resaka nandeha fa maty ny fitaovana fanaraha-maso na “camera de surveillance” tao amin’io Hotely io nandritra ny fotoana nisian’ny toe-javatra mamoafady, tonga hatramin’ny fifofoana ain’olona. Maro ny naneho ny alahelony sy fahasosorany tamin’ity raharaha ity, na ny mponina any Morondava na ny vahoaka samihafa mpanara-baovao. Ho an’ny tany an-toerana, vahoaka maro mihitsy no nirohotra teny anoloan’ny Fitsarana ny talata teo tolakandro, nanaraka akaiky ny raharaha.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT