Marisarisa ny fiainam-piarahamonina ao Antsohihy taorian’ilay raharaha fanolanan-jazavavy tsy ampy taona, mbola mpianatra, nitranga ny andron’ny Paska 2011 teo ka mahavoarohirohy mpikambana iray ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.
Araka ny fantatra dia efa misy ny olona voasambotra amin’izao fotoana, taorian’ny fitoriana nataon’ilay rain-jaza. Mivoatra anefa ny raharaha ankehitriny, satria dia tsy mipetra-potsiny ireo mpanohana ity mpanao politika mpikambana iray ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity. Tsy mijanona amin’ny fanehoana fanohanana tsotra anefa izy ireo fa tonga hatrany amin’ny fandrahonana sy fandroahana ireo mpiavy hiala ao Antsohihy izany. Ary tsy mba olon-tsotra fa olom-boafidy ao an-tanàna mihitsy no nandatsa-bava nanao izany. Saika hanao hetsika ireo mpanohana an’ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity ny alakamisy 05 mey teo, fa tsy raikitra, saingy maro tamin’ireo mpivarotra no nangoron’entana nentin’ny tahotra fandrobana. Nokasaina hatao ny zoma indray fa tsy nahomby. Nikasa hilahatra an-dalambe indray ny sabotsy 07 mey, fa nisy nanakana ny hanatanterahana izany, hisorohana ny mety ho fifandonana.
Na izany aza dia tsy foana ny hetsika fa teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Nandritra izay no nandray fitenenana ity olom-boafidy ity, ka nilaza fa an’ny Tsimihety, an’ny Makoa ny tany ka miala ireo vahiny, ary fongaro hatramin’ny taolambalony rehefa tsy te hiara-kiasa amin’izy ireo. Teniny izany, araka ny nambarany, ary nitady mpanao gazety mihitsy aza moa ilay olom-boafidy handrakitra ny zava-boalazany, izay toa miendrika fihantsiana ihany. Velon’ahiahy ireo mpiavy ao Antsohihy, ahitana mpiasam-panjakana, mpandraharaha sy mpivarotra eo anatrehan’izany tenin’ity olom-boafidy ity izany. Misy amin’izy ireo no efa manapa-kevitra ny hangoron’entana hiala any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.