Actualités

Fanolanana etsy sy eroa Matetika tsy sahy mitory ireo ray aman-dreny


  • Talata 07 Jona 2022

Ankoatra ny tsy fandriampahalemana dia mirongatra ihany koa ny fanolanana ao Vohemar. Zazavavy kely iray vao 04 taona monja no voaholana ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ambatojoby Manambery.

Tovolahy kely iray 14 taona ihany koa no nisy nanolana tao amin’ny Fokontany Tanambao, samy ao anatin’ny distrikan’i Vohemar avokoa. Noho ny tsy fananan’ireo Ray aman-dRenin’ity zazalahy ity vola anefa dia tsy sahy nitory izy ireo fa nangina fotsiny ihany. Any Antalaha rahateo vao misy fitsarana. Ho an’ilay zazavavy kely moa dia fantatra fa tovolahy iray 20 taona no voatondro ho nanolana azy saingy tsy mbola sahy nitory io tovolahy io ihany koa ny Ray aman-dReny. Ahiana hampanjaka ny fanolanana any amin’ity distrika iray ity araka izany ny tsy fahasahian’ireo Ray aman-dReny mitory koa hanaovana antso avo amin’ny Ministeran’ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zazalahy kely voalana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT