Actualités

Fanoherana ny fitrandahan’ny Sinoa Nitokona nanoloana ny fitsarana ny mponin’Ambatofahavalo


  • Zoma 19 Martsa 2021

Nitokona nanoloana ny lapan’ny fitsarana etsy Anosy omaly ireo mponin’ny kaominin’Ambatofahavalo izay

 

 

tsy manaiky ny fanomezana ny tanin’izy ireo hitrandrahan’ny sinoa fasika. Efa miotsaka ankehitriny ny taninay, hoy ny solontenan’ny mponin’Ankadivoribe Faravohitra. Olon-tsotra Malagasy no tompon’ny tany fa tsy sinoa. Hatrany amin’ny distrikan’Andramasina hiatraikan’ity fitrandrahana ity daholo, hoy izy ireo. Tsy manana taratasy ahafahana miditra eo amin’io tany io ankoatran’izay nomen’ny ben’ny tanana azy ireo sinoa. Tsy nisy fierana taminay vahoaka, hoy kosa ny mponin’i Faravohitra, Rakotoarivony, nialohan’ny fitrandrahana. Nataon’ny ben’ny tanana ilay fifanarahana izay izy vao niresaka taminay. Tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay, noho izany, hoy hatrany izy ireo, satria manimba ny taranakay io fitrandrahana ion a dia efa 2 volana aza izay no niatombohany.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT