Actualités

Fanofanana sy fanomezana asa ny tanora Ilana politika manokana


  • Zoma 05 Aogositra 2016

Notapahana omaly avokoa nandritr’ilay atrikasa faharoa mikasika ny fanofanana sy fanomezana asa na ny EGEF+ 2 izay natao tetsy

 Antaninarenina ny fomba fampiasana ireo kitapom-bolan’ny orinasa tsy miankina rehetra, hoy ny minisitry ny asa sy ny fampianarana tekinika, raha nanazava ny vontoatin’ity atrikasa ity tamin’ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana. Tanjona ny ahitana paikady mahomby ahafahana manofana ireo tanora sy vehivavy mba hahamora ny fahitany asa rehefa vita fiofanana. Samy tiana hiditra ao anatin’izany avokoa, hoy izy, na ireo mbola maniry hanohy fianarana nefa sady efa te hiditra amin’ny sehatry ny asa na koa ireo nitsoaka an-daharana sy tsy mahita lalan-kizorana amin’izay sehatr’asa izay. Raha vao manao fotodrafitrasa fotsiny isika, hoy izy, na lalana io na sekoly dia efa miteraka asa ka mahavelom-bolo. Ny tanjona dia ny hidirana kokoa amin’ny sehatra maha matihanina. 450.000, eo ho eo, raha ny heviny no tanora tokony ho tonga eo amin’ny sehatry ny asa isan-taona kanefa ny ankamaroan’ireo dia tsy ampy fahaiza-manao ary izay no ilana ilay fampiofanana. Olana nipetraka mbola saro-baliana hatrany moa hatramin’izao ny hoe raha tafatsangana ny fotodrafitrasa dia aiza ny famatsiana ahafahana manakarama ireo tanora sy ahafahana mampihodina ireny fotodrafitrasa ireny.

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT