Actualités

Fanofanana ny tanora sy ny orinasa Nitsangana ny “Arkasia Training”


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo teny amin’ny Foibeny etsy amin’ny Immeuble OTIV Ankadindramamy ny “Arkasia Traning”,

 “Cabinet consultance et formation” noforonina tanora maromaro nivondrona tarihin-dRtoa Tovohasimbavaka Najaina. Tetikasa mitodika amin’ny tontolon’ny tanora sy ny fampandrosoana satria amin’izy ireo, dia afaka manao zavatra tsara ny tanora. Tanjona ny hanofana tanora hanana ny fahaizamanao ara-kalitao takian'ny fenitry ny asa eo amin'izay sehatry ny fampandrosoana izay. Isan'izany ny "formation de pointe", izay amina sehatra betsaka amin'izay sehatry ny fampandrosoana izay. Misy ihany koa ny « atelier de développement professionnel» sy «développement personnel» ho an'ny tanora. Ny faharoa manaraka an'izay dia misy ny «assistance technique», izany entin'izy ireo manohana olona na tetikasa ana tanora izay te hisehatra amin'izay fampandrosoana izay. Hitondra tohana sy tan-tsoroka amin’ny fananganana tetikasa, fitadiavana famatsiam-bola amin'ny famoronana sy ny fampiofanana ekipa,... Ny fahatelo farany dia misehatra ihany koa izy ireo amin'ny fikarohana ny fampandrosoana, indrindra fa ho an’ny tanora. Misy ny fampandrosoana ara-tsosialy, ara-ekonomika, amin'ny maha olombelona dia ao anatiny avokoa. Fa misy ihany koa ny sehatra samihafa (domaine transversale, ohatra hoe: ny changement de comportement ; communication transversale dia ao anatin'izay misy domaine thématique : santé, nutrition, éducation, ny gouvernance,... Efa manana traikefa mihoatra ny 7 tamin'ireo ny mpampiofana tsirairay ireo, araka ny fanamarihana. Ny fiofanana dia miovaova araka ilay ny lohahevitra sy ny rafitr’ireo orinasa na ONG miara-miasa amin'izy ireo. Afaka manefy tolotra amin'ny filàn'ny mpanjifa, araka ny fanazavan-dRtoa Tovohasimbavaka Najaina, tanora vao erotrerony, saingy efa nioty traikefa maro tany ivelany sy nizara fahaiza-manao teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha tsy hilaza afatsy ny fandrindrana tetikasa tany amin’ny Firenena Mikambana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT