Raha ny fampitahana ny 10 taona tany aloha, dia nihena ny fanatonan’ny olona ny toerana misy ireo famarotana sy fanofana boky tahaka ny etsy Ambohijatovo.
Noho ny fidinan’ny fahafaha-mividin’ny olona ve ? Sa noho ny firoboroboan’ny teknolojia avo lenta tahaka ny Internet ? Hafa ihany ny manana boky azo tehirizina, hoy Ramatoa Lala, izay efa mpivaro-boky, 15 taona lasa izay. Rehefa antomotra tahaka izao ny fanadinam-panjakana vao mba mandeha kely ny tsena, hoy izy sy rehefa manomboka ny fidiran’ny taom-pianarana.
Ny amin’ireo boky malagasy dia misy vitsivitsy ary mety tsy ho hita eny amin’ny mpivaro-boky mahazatra aza, hita eny Ambohijatovo. Ireo tena mahaliana sy be mpitady hatreto dia ny mahakasika ny fomba amam-panao malagasy, ireto farany izay amidy fa tsy hofaina akory. Raha ny fanazavan-dRamatoa Lala ihany dia kely ny tombombarotra azo kanefa aleo mahazo kely toy izay hipetra-potsiny. Ireo boky an-tsary vahiny ihany no hofaina, hisian’ny fidiram-bola, izay hofaina 3.000 Ar amin’ny voalohany, ary dia 500 Ar isaky ny manakalo , rehefa avy eo.
a.f
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.