Nisehoana fandokinkodinana zaza tsy ampy taona ny 19 aogositra teo, tany amin'ny kaominin'Amparibohotra, distrikan'i Soavinandriana, Faritra Itasy.
Tra-tehaky ny polisy ilay tompon'antoka, tovolahy 22 taona. Tany am-piandrasan'omby no nisy naka an-keriny sy noterena tovolahy iray hiara-handositra aminy tany Dango Faratsiho ny tovovavy iray 16 taona. Saika noentiny tany Antsirabe, avy eo any Antananarivo, saingy tsy nahita saran-dalana. Farany, noentiny teto Soavinandriana Itasy.Nitory ny rain'ilay zazavavy vokatr’izany.Raha tsiahivina kely ny tantara dia mpisakaiza izy 2 kely ireto nanomboka ny volana aogositra taona 2020, saingy tsy miaraka intsony ankehitriny."Tsy tia azy aho, izany no efa nisarahanay. Efatra no fitambaran'ny firaisana vitanay hatramin'izao, izany no nambaran’ilay zazavavy kely. Tsy nisy sitrapoko tompoko ireo firaisana nataony tamiko fa notereny aho...hoy hatrany izy nanamafy ny teniny. Nilaza kosa ilay tovolahy fa "tany Antsahavory, tany an-tsaha no nanaovany firaisana tamin’io zazavavy io voalohany, ary mbola virijiny izy tamin'izany ka izy no nisantatra azy. Tsy nanery azy izany aho fa izy no niteny hoe: andao hanao firaisana", hoy hatrany ilay tovolahy.Natolotra ny fampanoavana omaly moa ity farany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.