Actualités

Fanodinkodinana boaikely Nidoboka any am-ponja ilay madama


  • Zoma 17 Jona 2016

Tsy an-kifidy intsony ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona. Tao Antsirabe dia vehivavy 38 taona no sarona tamin’ity resaka ity. Tsy mbola manambady ramatoa ary mpampianatra dihy no asany.

 

 Ankoatra izay dia anisan'ny mpanentana amin’ireny foibe fitaizana ankizy sahirana tantanan’ny fikambanana frantsay ireny ihany koa ny tenany. Noho io asany farany io, dia nifanerasera sy niditra tamin'ny toerana maro tao amin'ilay foibe fitaizana ankizy izy. Teo no nitsiry ny fitsiriritany ka nitiavany sy nanodinkodinany tovolahy iray vao 17 taona, anisan'ny notezain'io fikambanana frantsay io ary dia niarahany tokoa ilay tovolahy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao azy roa ireo fa efa am-bolana no nisian'ny fiarahan’izy roa tonta saingy tsy nisy nahatsikaritra aloha izany satria izy dia anisan’ny mpanabe tao ihany ka toy ireo tanora sy ankizy taizana tao amin'ity foibe ity ny fiarahan’izy roa. Mianatra mozika any ivelan’ny toeram-panabeazana moa ilay zazalahy ka toa arahin’ilay ramatoa any ihany koa raha ny fanazavana ihany, kanefa dia nisy nahatsikaritra ihany koa fa mihidy matetika ao an’efitranon’ilay zazalahy izy roa. Nanomboka teo ny fanaraha-maso ary dia sarona ny fiarahan’izy roa ary nitory azy teny amin’ny mpitandro ny filaminana ny tompon’andraikitra ary notanana am-ponja vonjimaika ilay ramatoa miandry ny fitsarana azy. Niaiky moa i madama fa nisy tokoa ny fiarahany tamin’ilay zazalahy kely io.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT