Actualités

Fanodinana ny milin’ny Jirama Ho avy amin’izay ny fampiasana an’i Tsimiroro ?


  • Alakamisy 22 Septambra 2022

Nampivarahontsana ny mpanara-baovao ny nandre ny filazan’ny teo anivon’ny Jirama vao tsy ela fa ananan’ny kaompanian-tsolika 800 miliara Ar ny Jiro sy Rano Malagasy.

Tsy dia atao mahagaga loatra anefa izany, raha tarafina amin’ireo afera goavana natao hamolosana ny Jirama, raha tsy hilaza afatsy ilay aferan-tsolika 64 000 L izay vitavita ho azy. Mbola sahirana ara-bola na eo aza ny drafi-panarenana, ny mpanjifa no mizaka ny vokany amin’ny fahatapahana lavareny. Hatrany amin’ny 2025 no nambara fa tanjona hahatraran’ny Jirama hahavita hamelon-tena. Isan’ny vahaolana be mpivoy ny fampiasana solika mavesatra na “fuel lourd” ao Tsimiroro, izay voalaza fa efa nahomby ny fanandramana hatrany amin’ny taona 2017. Eo amin’ny fepetra no re fa mbola somary hifanenjanan’ny Madagascar Oil sy ny Jirama. Ny Jirama mitaky tambiny amin’ny Madagascar Oil isaky ny fahatarana amin’ny famatsiana. Mitaky antoka amin’ny fahafahany mividy ny solika mavesatra kosa ny Madagascar oil, izay voalaza fa vonona hividy fiara lehibe afaka mitatitra solika 300 000L avy. Voalaza fa misy tokin’aina ary andalam-pahatanterahana ny hampiasana ny solika mavesatr’I Tsimiroro, ka dia andrasana hoe: hizotra amin’izay tokoa ve? Tsara ny manamarika fa eo ho eo amin’ny 1,7 miliara barila ny tahiry ao Tsimiroro, raha ny fikarohan’ny manam-pahaizana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT