Anisan’ny tanàna be fako indrindra Antananarivo Renivohitra.
Taratasy avokoa anefa ny 10 %-n’izany raha araka ny fantatra izay mbola azo ahodina hanaovana zavatra tsara sady hahafahana miaro ny tontolo iainana ihany koa. Ho an’ny orinasa DHL etsy Ankorondrano manokana dia mahatratra 32 taonina isan-taona ny taratasy arian’izy ireo, raha araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny Rakotondraibe Mamy. Mba ho fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanatevenana ny fiarovana ny tontolo iainana ary dia hiara-kiasa akaiky amin’ny orinasa SPAH ( Société de Production d’Article Hygienique) izy ireo hahafahany manodina ireo karazana taratasy avy ampiasainy. Tontosa omaly teny Ankorondrano ny sonia fifanekem-piaraha-miasa mifandraika amin’izany notanterahin’ny roa tonta. Tsiahivina moa fa hampita hafatra sy hanabe ireo mpandraharaha mitovy aminy no tena tanjon’ny DHL. Raha manodina taratasy 1 taonina ho lasa fitaovana vaovao hampiasaina mantsy isika dia manavotra hazo miisa 17, rano 30.000 litatra ary herinaratra 4.000 kw. Ho an’ny orinasa SPAH manokana moa dia taratasy efa tsy hampiasaina intsony no raisiny hamokarany ireo karazana taratasy hahafahana midio toy ny marika Lys izay efa miparitaka eto amintsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.