Miisa 31 ireo sefo fokontany amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahitsy no
nisitraka fifampizarana traikefa sy nahazo fiofanana miompana amin’ny fanodinana ny akora plastika ho fitaovana fampiasa amin’ny andavan’andro omaly. Anisan’ny notanterahina mandritra ny atrikasa koa ny fianarana ny fanamboarana servieta fanasa ho an’ny fadimbolana sy ny fanamboarana savony amin’ny alalan’ny menaka izay fampiasa ao an-dakozia. Programanasa voafaritra ao anatin` ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny filatsahana an-tsitrapo izany atrikasa izany. Ny fikambanana Green and Kool kosa no nanatanteraka ny fampiofanana. Nentanina indrindra ireo sefm-pokontany hizara ireo paipaika azo nandritra ny fiofanana amin’ireo mponina any amin’ny fokontany tantanan’izy ireo. Izany dia natao ho fanamarihina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitra-po izay hankalazaina amin’ny 05 desambra ho avy izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.