Actualités

Fanodidina ny fako Nahazo famatsiam-bola Antsirabe sy Talatamaty ary Antehiroka


  • Talata 08 Febroary 2022

Kaominina telo eto amintsika no fantatra fa nosafidian’ny Ministeran’ny tontolo iainana hanatanteraka ilay asa fanodinana fako entina hampiroboroboana ny asa fihariana.

Ho an’ny Faritra Vakinankaratra dia anisan’ny voafidy ny kaominina Antsirabe I raha lasan’ny kaominina Ambohibao Antehiroka sy Talatamaty kosa ny laharana faharoa sy fahatelo izay samy ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny tontolo iainana Ramatoa Baomiavotse moa dia tetikasa hanampiana ny kaominina hiditra ao anatin’ilay lalan-tsaina toe-karena mifamelona ity tetikasa ity. Ny fako mantsy hoy hatrany izy dia azo haodina hampiroboroboana ny asa fihariana indray fa tsy very maina akory raha hay tsara ny mikarakara azy. Azo havadika ho zezika entina hanampiana ny tantsaha ohatra ny fako…. Ho an’ny kaominina Antehiroka sy Talatamaty manokana dia fantatra fa mitambatra ny toerana fanodinan’izy ireo fako. Mitentina 90.000 dolara araka izany ny fanatsiam-bola azon’ireto kaominina roa ireto raha 8 alina dolara ny an’ny kaominina Antsirabe. Marihina moa fa ny 20%-n’ny mponina eto amintsika dia maty vokatry ny fahalotoan’ny tontolo iainana avokoa. Tanjona kendrena amin’ity tetikasa ity araka izany ny mba hahafahana mitantana ny fako hiarovana ny tontolo iainana amin’ny fiparitahan’ny fako etsy sy eroa.
Pati
Legende : Azo havadika ho vola ny fako raha hay ny mikarakara azy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT